7 Ary halaiko ho oloko tokoa ianareo,+ ka ho Andriamanitrareo aho.+ Ary ho fantatrareo tokoa fa izaho no Jehovah Andriamanitrareo, izay mamoaka anareo ho afaka amin’ny enta-mavesatra ampitondrain’i Ejipta anareo.+
45 Fa izaho no Jehovah izay nitondra anareo niakatra avy tany Ejipta mba hasehoko aminareo fa Andriamanitra aho.+ Koa aoka ho masina ianareo,+ satria masina aho.+