Levitikosy 26:8 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 8 Ny dimy aminareo hanenjika zato, ary ny zato hanenjika iray alina, ary ho lavon-tsabatra eo anoloanareo ny fahavalonareo.+ Mpitsara 3:31 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 31 Ary i Samgara+ zanak’i Anata no nanarakaraka an’i Ehoda. Nahafaty Filistinina+ eninjato lahy tamin’ny fanindronan’omby izy, ka tonga mpamonjy ny Israely koa.+ 1 Samoela 14:6 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 6 Ary hoy i Jonatana tamin’ilay mpanompony mpitondra fiadiana: “Andao hiampita erỳ amin’ny toby mpitilin’ireo lehilahy tsy mifora+ ireo. Angamba hanampy antsika i Jehovah fa tsy misy mahasakana an’i Jehovah tsy hamonjy, na maro na vitsy no ampiasainy.”+ 2 Samoela 23:8 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 8 Ireto ny anaran’ireo lehilahy maherin’i+ Davida: Joseba-basebeta+ Takemonita, lehiben’ireo telo lahy. Izy no nanambana tamin’ny lefony ny valonjato lahy ka namono an’ireo, tao anatin’ny ady indray mandeha monja.
8 Ny dimy aminareo hanenjika zato, ary ny zato hanenjika iray alina, ary ho lavon-tsabatra eo anoloanareo ny fahavalonareo.+
31 Ary i Samgara+ zanak’i Anata no nanarakaraka an’i Ehoda. Nahafaty Filistinina+ eninjato lahy tamin’ny fanindronan’omby izy, ka tonga mpamonjy ny Israely koa.+
6 Ary hoy i Jonatana tamin’ilay mpanompony mpitondra fiadiana: “Andao hiampita erỳ amin’ny toby mpitilin’ireo lehilahy tsy mifora+ ireo. Angamba hanampy antsika i Jehovah fa tsy misy mahasakana an’i Jehovah tsy hamonjy, na maro na vitsy no ampiasainy.”+
8 Ireto ny anaran’ireo lehilahy maherin’i+ Davida: Joseba-basebeta+ Takemonita, lehiben’ireo telo lahy. Izy no nanambana tamin’ny lefony ny valonjato lahy ka namono an’ireo, tao anatin’ny ady indray mandeha monja.