-
Salamo 57:0-11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
Ho an’ny mpitarika. “Aza mandringana.” Miktama nataon’i Davida, rehefa nandositra an’i Saoly izy, ka nankao an-dava-bato.+
57 Iantrao aho Andriamanitra ô! Iantrao aho,+
Fa ianao no ialofako,+
Ary mialoka ao ambany elatrao aho mandra-pahalasan’ny loza.+
2 Miantso an’Andriamanitra Avo Indrindra aho, dia ilay tena Andriamanitra, izay mampitsahatra izany noho ny amiko.+
3 Hanampy ahy avy any an-danitra izy ka hamonjy ahy.+
Hataony misahotaka tokoa izay mitady handrapaka ahy.+ Sela.
Haniraka ny hatsaram-panahiny feno fitiavana sy ny fahamarinany Andriamanitra.+
Ary voatery mandry eo anivon’ny mpandrapaka olona, eny, eo anivon’ny zanak’olombelona,
Izay manana nify toy ny lefona sy toy ny zana-tsipìka,+
Ary toy ny sabatra maranitra ny lelany.+
5 Misandrata any ambonin’ny lanitra, Andriamanitra ô!+
Aoka ho ambonin’ny tany manontolo ny voninahitrao.+
6 Nanomana harato hamandrihana ahy ireny,+
Ka nitanondrika aho.+
Nihady lavaka hamandrihana ahy ireny,
Nefa izy ihany no latsaka tao.+ Sela.
7 Tsy miovaova ny foko, Andriamanitra ô!+
Tsy miovaova ny foko.
Hihira sy hanandra-peo hidera anao aho.+
8 Mifohaza, ry voninahitro ô!+
Mifohaza, ry lokanga ô! Ianao koa, ry harpa ô!+
Hofohaziko ny maraina mangiran-dratsy.
9 Hidera anao eo amin’ireo firenena aho, Jehovah ô,+
Ary hihira fiderana ho anao eo amin’ny firenena samy hafa.+
-
-
Salamo 142:0-7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
Maskila nataon’i Davida tamin’izy tao anaty lava-bato.+ Vavaka.
142 Nanandratra ny feoko tamin’i Jehovah aho, mba hiantso vonjy.+
Nanandratra ny feoko tamin’i Jehovah aho, mba hitalaho famindram-po.+
3 Izany no nataoko rehefa rera-tsaina+ aho.
Koa ianao no nahafantatra izay nalehako.+
Eo amin’ny lalana izorako+
No anafenan’izy ireo fandrika hahazoana ahy.+
4 Tazano eo ankavanako ka jereo
Fa tsy mba misy olona mankasitraka ahy.+
Tsy misy toerana azoko andosirana intsony.+
Tsy mba misy manontany ny momba ahy.+
-