-
1 Samoela 20:3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Mbola nianiana+ koa anefa i Davida hoe: “Tsy maintsy efa fantatry ny rainao fa nahazo sitraka taminao aho,+ ka hilaza izy hoe: ‘Aoka tsy ho fantatr’i Jonatana izany, sao halahelo izy.’ Raha mbola velona koa anefa i Jehovah,+ ary raha mbola velon’aina koa ianao,+ dia tsoriko aminao fa zara raha misy indray mandingana sisa no manelanelana ahy amin’ny fahafatesana!”+
-
-
2 Samoela 14:19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 Dia hoy ny mpanjaka: “Momba anao ve i Joaba+ amin’izao zava-drehetra izao?”+ Dia hoy ravehivavy: “Raha mbola velon’aina koa ianao,+ ry mpanjaka tompoko ô, dia marina tokoa izay voalazanao. Fa i Joaba mpanomponao no nandidy ahy, ary izy no nilaza izany teny rehetra izany mba holazain’ny mpanompovavinao.+
-