17 Dia nanao ny fitoeran-jiro+ tamin’ny volamena tsy misy fangarony izy, ka marotoa no nanefeny azy. Avy tamin’ny vatan’ilay fitoeran-jiro ihany ny tongony sy ny sampany sy ny voninkazony sy ny bokony ary ny felany.+
20 Ary izao ilay zava-miafina masina momba ny kintana fito+ izay efa hitanao teo an-tanako havanana sy ny fitoeran-jiro volamena fito:+ Tsy inona ny kintana fito fa ny anjelin’ny fiangonana fito, ary ny fitoeran-jiro fito dia fiangonana fito.+
5 “‘Koa tsarovy izay nisy anao fony ianao mbola tsy lavo, dia mibebaha+ ka ataovy izay nataonao taloha. Fa raha tsy izany, dia ho avy aminao aho+ ka hanaisotra ny fitoeran-jironao+ hiala amin’ny toerany, raha tsy hoe mibebaka angaha ianao.