Salamo 6:5 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 5 Fa tsy afaka miresaka momba anao ny maty.+Iza amin’izay ao amin’ny Fasana* no hidera anao?+ Salamo 30:9 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 9 Inona no soa azo amin’ny rako raha midina any an-davaka aho?+Ny vovoka angaha hidera anao,+ na hilaza ny fahamarinanao?+ Salamo 118:17 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 17 Tsy ho faty aho fa ho velona foana,+Mba hanambara ny asan’i Jah.+ Mpitoriteny 9:5 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 5 Fa fantatry ny velona fa ho faty izy,+ fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona,+ sady tsy mahazo valin-kasasarana intsony, satria hadino izay nahatsiarovana azy.+ Isaia 38:18 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 18 Tsy ny Fasana* mantsy no afaka midera anao,+ ary tsy afaka mankalaza anao ny fahafatesana.+Tsy afaka miandrandra ny fahamarinanao ireo midina any an-davaka.+
9 Inona no soa azo amin’ny rako raha midina any an-davaka aho?+Ny vovoka angaha hidera anao,+ na hilaza ny fahamarinanao?+
5 Fa fantatry ny velona fa ho faty izy,+ fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona,+ sady tsy mahazo valin-kasasarana intsony, satria hadino izay nahatsiarovana azy.+
18 Tsy ny Fasana* mantsy no afaka midera anao,+ ary tsy afaka mankalaza anao ny fahafatesana.+Tsy afaka miandrandra ny fahamarinanao ireo midina any an-davaka.+