11 Ary nitodika aho nijery ny asa rehetra nataon’ny tanako sy ny asa mafy rehetra niezahako mafy hotanterahina.+ Dia hitako fa zava-poana ny zava-drehetra sady toy ny misambo-drivotra fotsiny,+ ary tsy misy mahasoa etỳ ambanin’ny masoandro.+
26 Ny olona ankasitrahan’Andriamanitra+ no omeny fahendrena sy fahalalana ary fifaliana,+ fa ny mpanota kosa ampiasainy hanangona sy hamory, mba homena an’izay ankasitrahan’Andriamanitra.+ Zava-poana koa izany, sady toy ny misambo-drivotra fotsiny.+