23 Izao no voalaza momba an’i Damaskosy:+ “Menatra i Hamata+ sy Arpada,+ satria nandre vaovao ratsy. Kivy izy ireo.+ Toy ny ranomasina misamboaravoara ny olona, ka tsy mety tony.+
5 Hotapahiko ny bara hidim-bavahadin’i Damaskosy,+ ary haringako ny mponina ao Bikata-avena sy ny mpitana ny tehim-panjakana ao Beti-edena. Ary hatao sesitany any Kira ny mponin’i Syria”,+ hoy i Jehovah.’