33 Nanome fahafaham-po firenena maro ianao,+ rehefa nivoaka avy eny an-dranomasina+ ny entam-barotrao.+ Ary ianao no nampanan-karena ny mpanjakan’ny tany, satria maro be ny zava-tsarobidinao sy ny entana atakalonao.+
4 Ny fahendrenao sy ny fahaiza-manavaka anananao no nahazoanao harena. Tsy mitsahatra manangona volamena sy volafotsy hatao ao amin’ny trano fitehirizanao ianao.+