15 Ary nivavaka+ teo anatrehan’i Jehovah i Hezekia hoe: “Ry Jehovah Andriamanitry ny Israely,+ izay mipetraka eo amin’ny kerobima!+ Ianao irery no tena Andriamanitry ny fanjakana+ rehetra eto an-tany.+ Ianao no nanao ny lanitra+ sy ny tany.+
26 “Asandrato ny masonareo, ka mijere! Iza no nahary ireny zavatra ireny?+ Tsy iza fa Ilay toy ny mpitari-tafika izay mibaiko an’ireny araka ny isany, sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy.+ Noho Izy manana tanjaka sy hery lehibe,+ dia tsy misy banga ireny.
12 Izy no Mpanao ny tany, ary tamin’ny heriny no nanaovany azy.+ Izy koa no nanao izay hahamafy orina ny tany lonaka tamin’ny fahendreny,+ ary Izy no namelatra ny lanitra tamin’ny fahiratan-tsainy.+
11 “Mendrika handray ny voninahitra+ sy ny haja+ ary ny hery+ ianao, Jehovah ô, eny, ry Andriamanitray ô, satria namorona ny zava-drehetra ianao,+ ary noho ny sitraponao+ no nampisy sy namoronana+ azy ireny.”