2 Ripaka tanteraka ny olona tsy mivadika ka tsy misy intsony eto an-tany, ary tsy misy olo-marina eo amin’ny olombelona.+ Miafina mba handatsa-dra izy rehetra.+ Ary samy mihaza ny rahalahiny izy ireo ka mamelatra fandrika harato eo anoloany.+
22 Dia haongako tokoa ny seza fiandrianan’ireo fanjakana ary hofoanako ny herin’ny fanjakan’ireo firenena.+ Haongako ny kalesy sy ny mpitaingina azy, ary samy ho lavon-tsabatra na ny soavaly na ny olona,+ ka ny sabatry ny rahalahiny ihany no hamely azy.’”+
9 Farany, dia hoy aho: “Tsy ho mpiandry anareo intsony aho.+ Izay efa ho faty, dia aoka ho faty. Izay haringana, dia aoka ho ringana.+ Ary izay sisa tavela, dia aoka samy hihinana ny nofon’ny namany avy.”+