15 Ary hataoko+ mifandrafy+ ianao+ sy ny vehivavy,+ ary ny taranakao+ sy ny taranany.+ Hanorotoro ny lohanao+ izy io,+ ary ianao+ kosa handratra azy+ eo amin’ny voditongony.”+
15 Mpaminany avy eo aminao, avy eo amin’ny rahalahinao, eny, mpaminany toa ahy, no hotendren’i Jehovah Andriamanitrao ho anao. Izy no tokony hohenoinao.+
44 Ary hoy izy: “Izao no teny nolazaiko taminareo fony aho mbola teo aminareo,+ fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nosoratana momba ahy ao amin’ny lalàn’i Mosesy sy ao amin’ny Mpaminany+ ary ny Salamo.”+
45 Nahita an’i Natanaela+ i Filipo, ka nilaza hoe: “Efa hitanay ilay olona voasoratr’i Mosesy ao amin’ny Lalàna+ sy voasoratry ny mpaminany,+ dia i Jesosy, zanak’i Josefa+ avy any Nazareta.”
22 Nahazo ny fanampian’Andriamanitra+ anefa aho, ka mbola mijoro ho vavolombelona mandraka androany, na amin’ny madinika na amin’ny lehibe, ary tsy milaza afa-tsy izay nambara fa hitranga, araka ny voalaza ao amin’ny Mpaminany+ sy Mosesy,+