-
Matio 12:3, 4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Dia hoy izy tamin’ireo: “Mbola tsy novakinareo angaha ilay nataon’i Davida, rehefa noana izy sy ny olona niaraka taminy?+ 4 Niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy, dia nihinana ny mofo atolotra*+ ry zareo. Tsy nisy nahazo nihinana an’izany anefa na izy na ny olona niaraka taminy, afa-tsy ny mpisorona ihany.+
-
-
Lioka 6:3, 4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Namaly anefa i Jesosy hoe: “Mbola tsy novakinareo mihitsy angaha ilay nataon’i Davida, rehefa noana izy sy ny olona niaraka taminy?+ 4 Niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy ary nomena azy ny mofo atolotra,* dia nohaniny izany ary nomeny koa ny olona niaraka taminy. Tsy nisy nahazo nihinana an’izany anefa, afa-tsy ny mpisorona ihany.”+
-