17 Tsy maintsy haringana tanteraka* ilay tanàna sy ny zava-drehetra ao aminy.+ An’i Jehovah daholo izany. I Rahaba+ mpivaro-tena sy ny olona rehetra miaraka aminy ao an-trano ihany no aza vonoina ho faty, satria nanafina an’ireo olona nirahintsika izy.+
3 Mandehana àry, ka asio ny Amalekita+ ary aringano tanteraka+ izy ireo sy izay rehetra ananany. Aza avela hisy hiangana izy ireo* fa vonoy ho faty,+ na lehilahy na vehivavy, na ankizy na zaza, na omby na ondry, na rameva na ampondra.’”+