-
Genesisy 8:20, 21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 Dia nanorina alitara+ ho an’i Jehovah i Noa. Naka tamin’ny biby madio sy ny biby manidina madio+ izy, ka nanolotra fanatitra dorana teo ambonin’ilay alitara.+ 21 Ary nahafinaritra* an’i Jehovah ny hanitr’ilay izy, ka hoy i Jehovah anakampo: “Tsy hanozona ny tany+ noho ny ataon’ny olona intsony aho, satria mitarika azy hanao ratsy foana ny fony, efa hatramin’ny fahazazany.+ Dia tsy horinganiko hoatran’iny nataoko iny intsony ny zavamananaina rehetra.+
-
-
Nomery 15:2, 3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 “Teneno ny Israelita hoe: ‘Rehefa tafiditra ao amin’ilay tany omeko hipetrahanareo ianareo,+ 3 ka manolotra fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah, na omby izany na ondry na osy, mba ho hanitra mahafinaritra* an’i Jehovah,+—na fanatitra dorana ilay izy,+ na sorona hanefana voady manokana, na fanatitra an-tsitrapo,+ na fanatitra mandritra an’ireo fety fanaonareo,+—
-