24 Fa efa nomeko ho lovan’ny Levita ny ampahafolon-karena omen’ny vahoakan’Israely ho fanomezana ho an’i Jehovah. Izany no nilazako taminy hoe: ‘Tsy hahazo lova eo amin’ny Israelita izy ireo.’”+
9 Izany no mahatonga an’i Levy tsy homena anjara na lova miaraka amin’ny rahalahiny. Fa i Jehovah no lovany, araka ny efa nolazain’i Jehovah Andriamanitrao taminy.+
3 Efa nomen’i Mosesy an’ireo foko roa hafa sy ny antsasaky ny fokon’i Manase ny lovan’izy ireo, teny ampitan’ny* Reniranon’i Jordana.+ Tsy nomeny lova teo amin’izy ireo kosa ny Levita.+