-
Deoteronomia 2:26-28Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
26 “Ary naniraka olona avy any an-tany efitr’i Kedemota+ aho hankany amin’i Sihona mpanjakan’i Hesbona, mba hiteny aminy hoe mitady fihavanana+ isika, ka hilaza hoe: 27 ‘Mba avelao aho handalo ao amin’ny taninao. Amin’ny lalambe ihany aho no handeha fa tsy hivily hiankavanana na hiankavia.+ 28 Izay sakafo hamidinao amiko ihany no hohaniko, ary izay rano hamidinao amiko ihany no hosotroiko. Fa avelao fotsiny aho handalo ao amin’ny taninao.
-