-
Genesisy 15:18-21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Dia nanao fifanekena tamin’i Abrama i Jehovah tamin’io andro io,+ hoe: “Ny taranakao no homeko an’ity tany ity,+ hatrany amin’ny reniranon’i Ejipta ka hatrany amin’ny reniranon’i Eofrata,+ ilay renirano lehibe. 19 Ny tany homeko azy ireo dia ny tanin’ny Kenita+ sy ny Kenizita sy ny Kadmonita 20 sy ny Hetita+ sy ny Perizita+ sy ny Refaima+ 21 sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Girgasita ary ny Jebosita.”+
-
-
Deoteronomia 7:1Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 “Rehefa ampidirin’i Jehovah Andriamanitrao any amin’ilay tany efa halainao ho anao ianao,+ dia horoahiny hiala eo aminao koa ireto firenena be mponina ireto:+ Ny Hetita, ny Girgasita, ny Amorita,+ ny Kananita, ny Perizita, ny Hivita, ary ny Jebosita,+ izany hoe firenena fito be mponina sady mahery noho ianao.+
-