-
Deoteronomia 20:16-18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Aza avela hisy zavamananaina ho velona anefa ao amin’ny tanànan’iretsy firenena homen’i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao iretsy.+ 17 Fa aringano tanteraka ny Hetita, ny Amorita, ny Kananita, ny Perizita, ny Hivita, ary ny Jebosita,+ araka ny didy nomen’i Jehovah Andriamanitrao anao. 18 Sao izy ireo hampianatra anareo hanao ny zava-maharikoriko rehetra fanaony amin’ny andriamaniny, ka hahatonga anareo hanota amin’i Jehovah Andriamanitrareo.+
-