-
Asan’ny Apostoly 7:44, 45Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
44 “Nanana ny tranolain’ny vavolombelona ny razambentsika tany an-tany efitra. Nasain’Andriamanitra nanao azy io mantsy i Mosesy, araka ny modely nasehony taminy.+ 45 Ary nolovan’ny razambentsika ilay tranolay, ka nampidiriny tao amin’ny tanin’ireo firenena+ noroahin’Andriamanitra hiala teo anatrehan’ny razambentsika.+ Nampiditra azy io tany izy ireo, niaraka tamin’i Josoa, ka tao foana ilay izy mandra-pahatongan’ny andron’i Davida.
-