-
Deoteronomia 13:12-15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 “Raha sendra henonao ao amin’ny iray amin’ny tanàna homen’i Jehovah Andriamanitrao anao hoe: 13 ‘Misy olona tsy misy ilana azy eo aminareo, ka tarihiny hivadika amin’Andriamanitra ny olona ao an-tanànany hoe: “Andao hanompo andriamani-kafa”, izay andriamanitra tsy fantatrao’, 14 dia hamotopototra sy hanadihady tsara ianao, sady hanontany.+ Raha voaporofo fa misy an’izany zava-maharikoriko izany tokoa eo aminareo, 15 dia tsy maintsy hovonoinao amin’ny sabatra ny mponin’izany tanàna izany.+ Aringano+ tanteraka amin’ny sabatra ilay tanàna sy izay rehetra ao aminy ary ny biby fiompiny.
-