13 Dia hoy i Samoela taminy: “Tena nanao hadalana mihitsy ianao. Tsy nankatoavinao ny didy nomen’i Jehovah Andriamanitrao anao.+ Raha nankatò anefa ianao, dia ho nataon’i Jehovah mafy orina mandrakizay teo amin’ny Israely ny fanjakanao.
3 Mandehana àry, ka asio ny Amalekita+ ary aringano tanteraka+ izy ireo sy izay rehetra ananany. Aza avela hisy hiangana izy ireo* fa vonoy ho faty,+ na lehilahy na vehivavy, na ankizy na zaza, na omby na ondry, na rameva na ampondra.’”+