-
1 Samoela 21:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 Nankany amin’i Ahimeleka mpisorona tany Noba+ i Davida, tatỳ aoriana. Dia natahotra i Ahimeleka rehefa nahita an’i Davida, ka niteny hoe: “Maninona ianao no mandeha irery, fa tsy misy miaraka aminao?”+ 2 Hoy i Davida tamin’i Ahimeleka mpisorona: “Nisy zavatra nasain’ny mpanjaka nataoko, nefa nanafatrafatra izy hoe: ‘Aza atao fantatr’olona izao asa anirahako anao izao sy ny toromarika nomeko anao.’ Nanao fotoana any ananona izaho sy ireo tovolahy miaraka amiko.
-