-
2 Samoela 7:12, 13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Rehefa tapitra ny andronao+ ka hodimandry any amin’ny razambenao ianao, dia hotendreko ho mpanjaka handimby anao ny taranakao, dia ny zanakao lahy.* Ary hataoko mafy orina ny fanjakany.+ 13 Izy no hanorina trano ho an’ny anarako,+ ary hataoko mafy orina mandrakizay ny seza fiandrianan’ny fanjakany.+
-
-
1 Tantara 22:9, 10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Hiteraka lahikely ianao,+ ary hiadana* izy. Hovonjeko amin’ny fahavalo rehetra manodidina azy izy ka hataoko milamin-tsaina.+ Hantsoina hoe Solomona*+ mantsy izy, ary hataoko miadana sy milamina ny Israely amin’ny androny.+ 10 Izy ilay hanorina trano ho an’ny anarako.+ Ho zanako izy ary izaho ho rainy.+ Dia hataoko mafy orina mandrakizay ny seza fiandrianany sy ny fanjakany eo amin’ny Israely.’+
-
-
2 Tantara 2:4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Hanorina trano ho an’ny anaran’i Jehovah Andriamanitro mantsy aho. Amin’izay aho mba ho afaka hanamasina an’ilay izy ho Azy, handoro emboka manitra+ eo anatrehany, hametraka ny mofo mifanaingina* izay tokony ho eo amin’ny toerany foana,+ ary hanatitra fanatitra dorana amin’ny maraina sy hariva,+ rehefa Sabata+ sy tsinam-bolana+ ary amin’ny fotoanan’ny fety+ ho an’i Jehovah Andriamanitray. Zavatra tsy maintsy ataon’ny Israely foana izany.
-