-
Daniela 10:8-10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Dia tavela irery teo aho. Rehefa nahita an’izany fahitana mahagaga izany aho, dia tsy nisy hery intsony tato anatiko. Lasa hatsatra be koa ny tarehiko, sady tsy nanan-kery intsony aho.+ 9 Henoko niteny ilay lehilahy avy eo. Dia renoky ny torimaso aho rehefa naheno azy niteny, ka nihohoka tamin’ny tany.+ 10 Nisy tanana nikasika ahy anefa,+ ka nanarina ahy mba handohalika sady hitehina amin’ny tanako roa.
-