-
1 Mpanjaka 9:1-3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Raha vao vitan’i Solomona ny tranon’i Jehovah sy ny tranon’ny* mpanjaka+ ary ny zavatra rehetra niriny hatao,+ 2 dia niseho fanindroany taminy i Jehovah, hoatran’ny nisehoany taminy tao Gibeona.+ 3 Hoy i Jehovah: “Efa henoko ny vavaka nataonao sy ny fitalahoanao famindram-po teo anatrehako. Efa nohamasiniko ity trano naorinao ity ka apetrako ao foana ny anarako.+ Hifantoka ao foana koa ny masoko ary ho ao foana ny foko.+
-