-
Nomery 25:11-13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 “I Finehasa+ zanak’i Eleazara, zanak’i Arona mpisorona, no nahatonga ahy tsy ho tezitra amin’ny vahoakan’Israely intsony, satria tsy nilefitra mihitsy izy rehefa nisy nivadika tamiko tamin’ilay vahoaka.+ Tsy naripako tanteraka àry ny Israelita, na dia tiako aza hoe izaho irery ihany no tompoina.+ 12 Noho izany, dia teneno izy hoe: ‘Manao fifanekena aminy aho satria ankasitrahako izy. 13 Manao fifanekena aminy aho fa hanao ny asan’ny mpisorona foana izy sy ny taranany mandimby azy.+ Tsy nilefitra mihitsy mantsy izy rehefa nisy nivadika tamin’Andriamaniny.+ Nandrakotra ny fahotan’ny vahoakan’Israely koa izy tamin’izany.’”
-