-
1 Samoela 16:6, 7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Dia tonga izy ireo. Rehefa nahita an’i Eliaba+ i Samoela, dia hoy izy: “Tena io mijoro eo anatrehan’i Jehovah io ilay voahosotra notendreny.” 7 Hoy anefa i Jehovah tamin’i Samoela: “Aza mifantoka amin’ny bika aman’endriny sy ny halavany,+ fa tsy izy ilay nofidiko. Fa tsy toy ny fijerin’ny olona ny fijerin’Andriamanitra, satria ny olona mijery izay hitan’ny maso,* fa i Jehovah kosa mijery ny fo.”+
-
-
1 Tantara 28:9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 “Ary ianao, ry Solomona zanako, fantaro ilay Andriamanitry ny rainao, ka manompoa azy amin’ny fo manontolo*+ sy amin’ny fo falifaly.* Mandinika ny fo rehetra mantsy i Jehovah,+ ary fantany daholo ny eritreritra sy ny faniriana.+ Raha mitady azy ianao, dia hataony izay hahitanao azy.+ Raha mahafoy azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay.+
-