-
Josoa 7:24, 25Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
24 Dia nalain’i Josoa sy ny Israely rehetra i Akana+ zanak’i Zera, niaraka tamin’ilay volafotsy sy ilay akanjo ary ilay vaingam-bolamena.+ Nalain’izy ireo koa ny zanany lahy, ny zanany vavy, ny ombiny, ny ampondrany, ny ondry aman’osiny, ny tranolainy, ary izay rehetra azy, ka nentin’izy ireo teo amin’ny Lohasahan’i* Akora.+ 25 Ary hoy i Josoa: “Nahoana ianao no nahatonga loza* taminay?+ Hahatonga loza aminao koa i Jehovah androany.” Dia nitora-bato azy sy ny ankohonany ny Israely rehetra,+ ary nandoro azy ireo avy eo.+ Koa nitora-bato azy rehetra izy ireo.
-
-
Estera 9:24, 25Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
24 Efa nanao tetika handripahana ny Jiosy+ mantsy i Hamana+ zanak’i Hamedota Agagita,+ ilay fahavalon’ny Jiosy rehetra. Efa nampanao Pora+—na Antsapaka—koa izy mba hahatonga azy ireo hisahotaka sy ho ripaka. 25 Rehefa tonga teo anatrehan’ny mpanjaka anefa i Estera, dia namoaka an’izao didy natao an-tsoratra izao ny mpanjaka:+ “Hivaly amin’i* Hamana anie ilay tetika saika hamelezany ny Jiosy!”+ Dia nahantona teo amin’ny tsato-kazo izy sy ny zanany lahy.+
-