Genesisy 4:5 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 5 fa i Kaina sy ny fanatiny kosa tsy nankasitrahany. Dia tezitra be i Kaina sady kivy be.* Estera 5:9 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 9 Dia lasa i Hamana tamin’iny andro iny, sady falifaly erỳ. Vao nahita an’i Mordekay teo am-bavahadin’ny mpanjaka anefa izy, dia tezitra be taminy. Hitany mantsy hoe tsy nitsangana i Mordekay sady tsy natahotra azy.+ Ohabolana 14:17 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 17 Manaonao foana ny olona mora tezitra,+Fa izay mandinika* tsara kosa ankahalain’ny olona. Ohabolana 14:29 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 29 Ny olona tsy mora tezitra dia mahay mandinika tsara,+Fa ny olona tsy manam-paharetana kosa mampiseho ny hadalany.+ Ohabolana 29:11 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 11 Avoakan’ny adala daholo ny hatezerany,*+Fa mahatsindry fo kosa ny hendry.+
9 Dia lasa i Hamana tamin’iny andro iny, sady falifaly erỳ. Vao nahita an’i Mordekay teo am-bavahadin’ny mpanjaka anefa izy, dia tezitra be taminy. Hitany mantsy hoe tsy nitsangana i Mordekay sady tsy natahotra azy.+
29 Ny olona tsy mora tezitra dia mahay mandinika tsara,+Fa ny olona tsy manam-paharetana kosa mampiseho ny hadalany.+