-
Josoa 10:8-14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Dia hoy i Jehovah tamin’i Josoa: “Aza matahotra an’ireo,+ fa hataoko resinao ireo.+ Tsy hisy hahatohitra anao ireo na iray aza.”+ 9 Nanafika tampoka azy ireo i Josoa rehefa avy nandeha nandritra ny alina avy any Gilgala. 10 Dia nataon’i Jehovah nifanaritaka teo anoloan’ny Israely izy ireo,+ ka be dia be no matin’ny Israely tao Gibeona. Nenjehin’ny Israely tany amin’ny lalana miakatra ho any Beti-horona izy ireo, ary notafihiny hatrany Azeka sy Makeda. 11 Raha mbola nandositra an’ireo Israelita izy ireo, dia nandatsahan’i Jehovah havandra vaventy avy tany an-danitra, teny amin’ny fidinana teny Beti-horona ka hatrany Azeka. Dia maty izy ireo, ary betsaka kokoa ny matin’ny havandra raha oharina amin’ny matin’ny Israelita tamin’ny sabatra.
12 Tamin’io andro io, tamin’i Jehovah namela ny Amorita ho resin’ny Israelita, no niteny tamin’i Jehovah teo anatrehan’ny Israely i Josoa hoe:
“Ry masoandro, aza mihetsika+ eo ambonin’i Gibeona!+
Ry volana, aza mihetsika eo ambonin’ny Lohasahan’i* Aialona!”
13 Dia tsy nihetsika ny masoandro ary nijanona ny volana, mandra-pandresin’ilay firenena ny fahavalony. Tsy efa voasoratra ao amin’ny bokin’i Jasara ve izany?+ Tsy nihetsika teo afovoan’ny lanitra ny masoandro sady tsy maika hilentika, efa ho iray andro maninjitra. 14 Mbola tsy nisy andro hoatran’iny na tany alohany na tatỳ aoriany, ka hoe nihainoan’i Jehovah feon’olona.+ Niady ho an’ny Israely mantsy i Jehovah.+
-
-
1 Tantara 14:10-16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Dia nanontany an’Andriamanitra i Davida hoe: “Hiakatra hiady amin’ny Filistinina ve aho? Hataonao resiko ve ireo?” Ary hoy i Jehovah taminy: “Miakara fa tena hataoko resinao ireo.”+ 11 Niakatra nankany Bala-perazima+ àry i Davida, ka tany izy no namely azy ireo. Ary hoy i Davida: “Andriamanitra efa nampiasa ny tanako, ka toy ny rano vaky nandravarava ny laharan’ny fahavaloko izy.” Izany no antony niantsoany an’io toerana io hoe Bala-perazima.* 12 Dia navelan’ny Filistinina teo ny sampiny, ary nasain’i Davida nodorana ireny.+
13 Tatỳ aoriana, dia nanafika teo amin’ilay lohasaha* indray ny Filistinina.+ 14 Dia nanontany an’ilay tena Andriamanitra indray i Davida, nefa hoy Izy: “Aza tonga dia miakatra manaraka an-dry zareo, fa mandehana aloha mihodidina mankany aorianany. Dia asio izy rehefa tandrifin’ireo hazo bakà.+ 15 Rehefa maheno olona mirodorodo ianao, dia tonga dia tafiho ry zareo satria ho efa nivoaka hialoha anao ilay tena Andriamanitra, mba hamely ny tafiky ny Filistinina.”+ 16 Nataon’i Davida àry izay nasain’Andriamanitra nataony.+ Dia nasian’izy ireo ny tafiky ny Filistinina, hatrany Gibeona ka hatrany Gazera.+
-