-
Isaia 51:22, 23Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
22 Izao no tenin’i Jehovah Tomponao, ilay Andriamanitrao, izay miaro ny vahoakany:
“Halaiko eny an-tananao ilay kaopy mampivembena,+
Dia ilay kaopy misy ny fahatezerako.
Tsy hisotro amin’iny intsony ianao.+
23 Hatolotro eny an-tanan’ireo mampijaly anao ilay kaopy,+
Dia izay niteny taminao hoe: ‘Miondreha amin’ny tany mba handehananay.’
Nataonao hoatran’ny tany àry ny lamosinao,
Hoatran’ny lalana handehanan’izy ireo.”
-