-
2 Mpanjaka 18:9, 10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Niakatra hanafika an’i Samaria i Salmanesera mpanjakan’i Asyria tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Hezekia Mpanjaka, izany hoe ny taona fahafito nanjakan’i Hosea+ zanak’i Elaha mpanjakan’ny Israely. Ary nanao fahirano an’ilay tanàna izy.+ 10 Dia azon’izy ireo ilay tanàna+ rehefa hifarana ny telo taona. Tamin’ny taona fahenina nanjakan’i Hezekia no azon’izy ireo i Samaria, izany hoe ny taona fahasivy nanjakan’i Hosea mpanjakan’ny Israely.
-