-
1 Mpanjaka 16:30-32Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
30 Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah, mihoatra noho izay rehetra talohany,+ i Ahaba zanak’i Omry. 31 Hoatran’ny hoe tsy ampy azy ny nanao ny fahotana nataon’i Jeroboama+ zanak’i Nebata, fa mbola nanambady an’i Jezebela+ zanakavavin’i Etibala mpanjakan’ny Sidonianina+ koa izy. Ary lasa nanompo an’i Bala+ izy ka niankohoka teo anatrehany. 32 Dia nanorina alitara ho an’i Bala izy, tao amin’ny tranon’i* Bala+ izay naoriny tao Samaria.
-
-
2 Mpanjaka 17:13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Efa nampitandrina ny Israely sy ny Joda foana i Jehovah, tamin’ny alalan’ny mpaminaniny rehetra sy ny mpahita fahitana rehetra,+ hoe: “Mialà amin’ny lalan-dratsinareo!+ Araho ny didiko sy ny fitsipiko, araka ny lalàna rehetra izay nandidiako ny razambenareo sy nampitaiko taminareo tamin’ny alalan’ny mpaminany mpanompoko.”
-