-
Marka 14:43-47Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
43 Tsy tapitra akory anefa ny teniny, dia iny fa tonga i Jodasy, ilay anisan’ny 12 Lahy. Ary nisy vahoaka nitondra sabatra sy kibay niaraka taminy, nirahin’ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny anti-panahy.+ 44 Ary efa nanome famantarana azy ireo ilay mpamadika hoe: “Izay horohako no izy ka sambory, ary ento dia ambeno tsara.” 45 Tonga dia nanitsy nankeo amin’i Jesosy izy ka niteny hoe: “Raby ô!”, sady nanoroka azy. 46 Dia nisambotra an’i Jesosy ny vahoaka, ka nitondra azy. 47 Nisy iray tamin’ireo nijoro teo anefa nanatsoaka ny sabany, dia nasiany tamin’iny ilay mpanompon’ny mpisoronabe, ka niala ny sofiny.+
-
-
Lioka 22:47-51Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
47 Tsy tapitra akory anefa ny teniny, dia ireny fa nisy vahoaka be tonga. Ary nitarika azy ireo ilay lehilahy atao hoe Jodasy, ilay anisan’ny 12 Lahy. Dia nanatona an’i Jesosy izy mba hanoroka azy.+ 48 Hoy anefa i Jesosy taminy: “Oroka ve no amadihanao ny Zanak’olona, ry Jodasy?” 49 Tsinjotsinjon’ireo nanodidina azy izay hitranga, ka niteny izy ireo hoe: “Hasianay amin’ny sabatra ve ry zareo, Tompo ô?” 50 Ny iray tamin’izy ireo aza namely an’ilay mpanompon’ny mpisoronabe mihitsy, ka niala ny sofiny havanana.+ 51 Fa hoy i Jesosy: “Aoka izay!” Ary nokasihiny ny sofin’ilay mpanompo ka nositraniny.
-