-
Matio 4:1-10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Nentin’ny fanahy masina nankany an-tany efitra i Jesosy avy eo, dia nalain’ny Devoly fanahy.+ 2 Noana izy rehefa avy nifady hanina 40 andro sy 40 alina. 3 Dia nanatona azy ilay Mpaka fanahy,+ ka niteny taminy hoe: “Raha zanak’Andriamanitra ianao, dia teneno ireto vato ireto mba ho lasa mofo.” 4 Hoy anefa izy: “Voasoratra hoe: ‘Tsy ny mofo ihany no ilain’ny olona mba hahavelona azy, fa ny teny rehetra lazain’i* Jehovah* koa.’”+
5 Nitondra azy nankany amin’ny tanàna masina ny Devoly avy eo,+ dia nametraka azy teo an-tampon’ny mandan’ny* tempoly.+ 6 Ary hoy izy taminy: “Raha zanak’Andriamanitra ianao, dia mianjerà any ambany any, fa voasoratra hoe: ‘Homeny baiko hanampy anao ny anjeliny’, ary ‘hitondra anao eny an-tanany izy ireo, mba tsy hidona amin’ny vato ny tongotrao.’”+ 7 Dia hoy i Jesosy taminy: “Voasoratra koa hoe: ‘Aza mitsapa toetra an’i Jehovah* Andriamanitrao.’”+
8 Nentin’ny Devoly teo amin’ny tendrombohitra avo dia avo indray izy. Dia nasehony azy ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao sy ny voninahitr’ireny fanjakana ireny.+ 9 Ary hoy izy taminy: “Homeko anao daholo ireo rehetra ireo, raha miankohoka indray mandeha eto anatrehako ianao.” 10 Hoy anefa i Jesosy: “Mandehana ianao, ry Satana! Fa voasoratra hoe: ‘I Jehovah* Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao,+ ary izy irery ihany no tsy maintsy tompoinao.’”*+
-
-
Lioka 4:1-13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Dia niala teo amin’ny Reniranon’i Jordana i Jesosy, sady feno fanahy masina. Ary nentin’ny fanahy masina nankany an-tany efitra+ izy, ka nivezivezy tany 2 nandritra ny 40 andro. Dia naka fanahy azy ny Devoly.+ Tsy nihinan-kanina izy nandritra an’izany fotoana izany, ka noana rehefa tapitra ireo andro ireo. 3 Koa niteny taminy ny Devoly hoe: “Raha zanak’Andriamanitra ianao, dia teneno io vato io mba ho lasa mofo.” 4 Fa hoy ny navalin’i Jesosy azy: “Voasoratra hoe: ‘Tsy ny mofo ihany no ilain’ny olona mba hahavelona azy.’”+
5 Koa nentin’ny Devoly niakatra teny an-tendrombohitra izy, ka nasehony azy vetivety ny fanjakana rehetra eran-tany.+ 6 Dia hoy ny Devoly: “Homeko anao izao fahefana rehetra izao sy ny voninahiny, fa efa natolotra ahy+ izany ka omeko an’izay tiako homena azy. 7 Koa raha miankohoka indray mandeha eto anatrehako ianao, dia ho anao daholo izany.” 8 Fa hoy i Jesosy: “Voasoratra hoe: ‘I Jehovah* Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao, ary izy irery ihany no tsy maintsy tompoinao.’”*+
9 Nitondra azy nankany Jerosalema ny Devoly avy eo, dia nametraka azy teo an-tampon’ny mandan’ny* tempoly. Ary hoy izy taminy: “Raha zanak’Andriamanitra ianao, dia mianjerà any ambany any,+ 10 fa voasoratra hoe: ‘Homeny baiko hanampy anao ny anjeliny mba hiaro anao’, 11 ary ‘hitondra anao eny an-tanany izy ireo, mba tsy hidona amin’ny vato ny tongotrao.’”+ 12 Fa hoy ny navalin’i Jesosy: “Voalaza hoe: ‘Aza mitsapa toetra an’i Jehovah* Andriamanitrao.’”+ 13 Rehefa avy naka fanahy azy tamin’izany fomba rehetra izany ny Devoly, dia niala teo aminy mandra-pahatongan’ny fotoana hafa mety indray.+
-