13 Fa samy naminany daholo na ny Mpaminany na ny Lalàna, mandra-pahatongan’i Jaona.+14 Na manaiky ianareo na tsia, dia izy ilay ‘Elia voalaza hoe ho avy.’+
13 Hoy anefa ilay anjely taminy: “Aza matahotra, ry Zakaria, fa efa nohenoin’Andriamanitra ny fitalahoanao, ka hiteraka zazalahy aminao i Elizabeta vadinao. Ary ataovy hoe Jaona ny anarany.+
17 Handeha eo alohany* koa izy sady hanana ny toe-tsaina* sy ny herin’i Elia,+ mba hamerenany ny fon’ny ray ho hoatran’ny fon’ny zanaka,+ ary mba hanampiany an’ireo tsy mankatò ho hendry amin’izay ataony hoatran’ny ataon’ny olo-marina. Amin’izay izy dia hanomana vahoaka ho an’i Jehovah.”*+