-
Matio 26:69-75Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
69 Nipetraka tany ivelany, tany an-tokotany, i Petera tamin’izay. Ary nisy mpanompovavy nanatona azy ka niteny hoe: “Ianao koa niaraka tamin’i Jesosy, ilay avy any Galilia!”+ 70 Nanda teo anatrehan’ny olona rehetra anefa i Petera hoe: “Tsy fantatro izany zavatra resahinao izany.” 71 Rehefa nivoaka nankeo akaikin’ny vavahady izy, dia nisy ankizivavy hafa indray nahita azy ka niteny tamin’ny olona teo hoe: “Niaraka tamin’i Jesosy, ilay avy any Nazareta, io lehilahy io!”+ 72 Dia nanda indray izy sady nianiana hoe: “Marina raha mba fantatro izany lehilahy izany!” 73 Rehefa afaka kelikely, dia nanatona an’i Petera ny olona nijorojoro teo ka niteny hoe: “Tena naman-dry zareo ianao, fa tonga dia fantatra amin’ny fiteninao.”* 74 Dia nanomboka niozona* sy nianiana izy hoe: “Tena tsy fantatro mihitsy ho’aho izany lehilahy izany!” Teo no ho eo ihany dia nisy akoho naneno. 75 Dia tsaroan’i Petera ilay nolazain’i Jesosy hoe: “Mbola tsy maneno akory ny akoho, dia handa ahy intelo ianao.”+ Koa nivoaka tany ivelany izy sady nigogogogo nitomany.
-
-
Lioka 22:55-62Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
55 Rehefa nandrehitra afo teo afovoan’ny tokotany izy ireo ka niara-nipetraka teo, dia nipetraka teo niaraka tamin’izy ireo koa i Petera.+ 56 Nahita azy nipetraka teo akaikin’ny afo anefa ny mpanompovavy anankiray ka nandinika azy tsara, ary niteny hoe: “Io lehilahy io koa niaraka taminy.” 57 Nanda anefa izy hoe: “Tsy fantatro izy, ravehivavy!” 58 Taoriana kelin’izay dia nisy olon-kafa indray nahita azy, ka niteny hoe: “Naman-dry zareo koa ianao.” Fa hoy i Petera: “Tsy naman-dry zareo aho.”+ 59 Adiny iray teo ho eo taorian’izay, dia nisy lehilahy iray hafa nanizingizina hoe: “Tena niaraka taminy mihitsy io lehilahy io, fa Galilianina!” 60 Hoy anefa i Petera: “Tena tsy fantatro izany lazainao izany.” Ary tonga dia nisy akoho naneno, raha iny izy mbola niteny iny. 61 Dia nitodika ny Tompo ka nijery an’i Petera. Ary tsaroan’i Petera ilay tenin’ny Tompo taminy hoe: “Mbola tsy maneno akory ny akoho anio, dia handa ahy intelo ianao.”+ 62 Koa nivoaka tany ivelany izy sady nigogogogo nitomany.
-
-
Jaona 18:25, 26Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
25 Ary mbola nijoro nitanina afo teo i Simona Petera no nisy nanontany hoe: “Tsy mpianany koa moa ianao?” Dia nanda izy hoe: “Tsy mpianany aho ka!”+ 26 Hoy ny iray tamin’ny mpanompon’ny mpisoronabe, izay havan’ilay olona nokapain’i Petera ny sofiny:+ “Tsy ianao ve ilay hitako tao amin’ny zaridaina niaraka taminy?”
-