16 “Izay very hotadiaviko,+ izay diso lalana haveriko, ny maratra hasiako fehy lamba, ary ny malemy hohatanjahiko. Fa ny matavy sy ny matanjaka kosa haringako. Hotsaraiko izy dia hovaliako araka izay sahaza azy.”
13 Mandehana àry fantaro ny dikan’ny hoe: ‘Aleoko olona mamindra fo, toy izay olona manao sorona.’+ Fa tsy tonga hiantso ny olo-marina aho, fa ny mpanota.”
4 “Iza aminareo moa raha manana ondry 100 ka very ny iray, no tsy hamela ny 99 any an-tany efitra, dia handeha hitady an’ilay very mandra-pahitany azy?+
15 Tena azo atokisana sy tokony hekena tanteraka izao teny izao: Tonga teto amin’izao tontolo izao i Kristy Jesosy mba hamonjy ny mpanota,+ ary izaho no lohany amin’ireny.+