26 Ho tonga ilay mpanampy hirahiko ho any aminareo avy any amin’ny Ray, dia ny fanahin’ny fahamarinana.+ Rehefa tonga io mpanampy avy any amin’ny Ray io, dia hanome porofo momba ahy.+
7 Lazaiko aminareo anefa fa tena mahasoa anareo ny handehanako, satria raha tsy mandeha aho, dia tsy ho tonga atỳ aminareo ilay mpanampy.+ Raha mandeha anefa aho, dia hirahiko ho atỳ aminareo izy.
26 Hoatr’izany koa fa manampy antsika ny fanahy, rehefa malemy isika.+ Izao mantsy no olana: Mila mivavaka isika saingy tsy haintsika hoe inona no tokony hangatahina. Ny fanahy mihitsy anefa no miangavy ho antsika rehefa mitaraindraina ao am-pontsika ao* isika.