-
Asan’ny Apostoly 28:17-19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Telo andro taorian’izay anefa, dia nampiantso an’ireo lohandohan’ny Jiosy izy. Rehefa tafavory izy ireo, dia hoy izy: “Ry rahalahy, gadra avy any Jerosalema aho ary natolotra teo an-tanan’ny Romanina,+ na dia tsy nanao zavatra tsy nety tamin’olona sy nifanohitra tamin’ny fanaon’ny razambentsika+ aza. 18 Te hanafaka ahy ihany ny Romanina rehefa avy nanao famotorana,+ satria tsy nisy antony tokony hamonoana ahy ho faty.+ 19 Tsy nanaiky an’izany mihitsy anefa ny Jiosy, ka voatery nampakatra an’ilay raharaha any amin’i Kaisara aho,+ fa tsy hoe misy zavatra iampangako ny fireneko akory.
-