-
Lioka 18:10-14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 “Nisy roa lahy niakatra nankao amin’ny tempoly mba hivavaka. Ny anankiray Fariseo ary ny anankiray mpamory hetra. 11 Dia nitsangana ilay Fariseo ka nivavaka anakampo hoe: ‘Andriamanitra ô, misaotra anao aho fa tsy mba hoatran’ny olon-kafa rehetra izay mpanao an-keriny, manao ny tsy marina, mpanitsakitsa-bady, na koa hoatran’itsy mpamory hetra itsy. 12 Mifady hanina indroa isan-kerinandro aho, ary manome ny ampahafolon’ny zava-drehetra azoko.’+ 13 Nijoro lavidavitra kosa ilay mpamory hetra, ary tsy sahy nitraka nijery ny lanitra, fa nikapo-tratra foana ka niteny hoe: ‘Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko* mpanota.’+ 14 Lazaiko aminareo fa izany lehilahy izany no hita fa marina noho ilay Fariseo,+ rehefa nidina tany an-tranony. Fa izay manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.”+
-