-
Eksodosy 17:1-3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Niala tao an-tany efitr’i Sina+ ny vahoakan’Israely manontolo, ka nifindrafindra toerana araka ny baikon’i Jehovah.+ Dia nitoby tany Refidima+ izy ireo. Tsy nisy rano hosotroin’ny vahoaka anefa tao.
2 Koa nila ady tamin’i Mosesy ny vahoaka,+ ka niteny hoe: “Omeo rano izahay hosotroinay.” Fa hoy i Mosesy: “Maninona ianareo no mila ady amiko? Nahoana ianareo no mitsapa an’i Jehovah foana?”+ 3 Main’ny hetaheta anefa ny vahoaka rehefa tany, ka nimenomenona tamin’i Mosesy foana+ hoe: “Fa maninona izahay no nentinao niakatra avy tany Ejipta? Tianao ho fatin’ny hetaheta atỳ angaha izahay sy ny zanakay ary ny biby fiompinay?”
-