Deoteronomia
13 “Raha misy mpaminany eo aminareo, na olona milaza ny hoavy amin’ny alalan’ny nofy, ka manome famantarana na fambara, 2 ary tanteraka ilay famantarana na fambara nolazainy, sady miteny izy hoe: ‘Andao isika hanaraka andriamanitra hafa’, andriamanitra mbola tsy fantatrao, ‘ary andao hanompo azy’, 3 dia aza mihaino an’izany mpaminany na mpanonofy izany.+ Mitsapa anareo mantsy i Jehovah Andriamanitrareo,+ mba hahalalany raha tia an’i Jehovah Andriamanitrareo amin’ny fonareo manontolo sy ny tenanareo manontolo ianareo.+ 4 I Jehovah Andriamanitrareo no tokony harahinareo, ary izy no tokony hatahoranareo. Ny didiny no tokony hankatoavinareo, ary ny feony no tokony hohenoinareo. Izy no tokony hotompoinareo sy hifikiranareo.+ 5 Tokony hovonoina ho faty kosa izany mpaminany na mpanonofy izany.+ Izy mantsy nitaona anareo hikomy tamin’i Jehovah Andriamanitrareo, ilay Andriamanitra nitondra anareo nivoaka avy tany Ejipta, sy nanavotra anareo avy tany amin’ny toerana nanandevozana anareo. Nitaona anareo hiala amin’ilay lalana nasain’i Jehovah Andriamanitrareo haleha koa izy. Esory tsy ho eo aminareo ny ratsy.+
6 “Raha mitady hitaona anao mangingina ny rahalahinao zanaky ny reninao, na ny zanakao lahy, na ny zanakao vavy, na ny vady malalanao, na ny namana tena akaiky anao,* ka miteny hoe: ‘Andao hanompo andriamani-kafa’,+ izay andriamanitra tsy fantatrao sady tsy fantatry ny razambenao, 7 ary andriamanitry ny firenena manodidina anao, na akaiky na lavitra, hatrany amin’ny faran’ilay tany, 8 dia aza manaiky azy na mihaino azy.+ Aza miantra azy, na mangoraka azy, na miaroaro azy, 9 fa tsy maintsy hovonoinao ho faty izy.+ Ny tananao mihitsy no tokony hamono azy voalohany, dia izay vao ny tanan’ny olona rehetra.+ 10 Torahy vato izy ho faty,+ satria nitady hampiala anao amin’i Jehovah Andriamanitrao, ilay nitondra anao nivoaka avy tany Ejipta, avy tany amin’ny toerana nanandevozana anao. 11 Dia haheno an’izany ny Israely rehetra ka hatahotra, dia tsy hisy hanao zava-dratsy hoatr’izany intsony eo aminareo.+
12 “Raha sendra henonao ao amin’ny iray amin’ny tanàna homen’i Jehovah Andriamanitrao anao hoe: 13 ‘Misy olona tsy misy ilana azy eo aminareo, ka tarihiny hivadika amin’Andriamanitra ny olona ao an-tanànany hoe: “Andao hanompo andriamani-kafa”, izay andriamanitra tsy fantatrao’, 14 dia hamotopototra sy hanadihady tsara ianao, sady hanontany.+ Raha voaporofo fa misy an’izany zava-maharikoriko izany tokoa eo aminareo, 15 dia tsy maintsy hovonoinao amin’ny sabatra ny mponin’izany tanàna izany.+ Aringano+ tanteraka amin’ny sabatra ilay tanàna sy izay rehetra ao aminy ary ny biby fiompiny. 16 Avy eo dia angony eo afovoan’ny tany malalaky ny tanàna ny zava-drehetra nobaboina tao, ary dory ilay tanàna. Dia ho fanatitra ho an’i Jehovah Andriamanitrao ny zavatra nobaboina tao, ka hodorana manontolo. Ho lasa korontam-bato mivangongo mandrakizay ilay tanàna, ary tsy tokony haorina intsony. 17 Aza maka amin’ny zavatra efa voatokana haringana.*+ Amin’izay tsy ho tezitra be aminao i Jehovah, fa hamindra fo aminao ka hiantra anao, dia hataony lasa be dia be ianao, araka izay nianianany tamin’ny razambenao.+ 18 Tokony hankatò an’i* Jehovah Andriamanitrao ianao ka hanaraka ny didiny rehetra andidiako anao anio, izany hoe hanao izay tsara eo imason’i Jehovah Andriamanitrao.+