Levitikosy
6 Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: 2 “Raha misy olona manota ka mivadika amin’i Jehovah,+ izany hoe mamitaka ny namany momba ny zavatra nampiandraiketina azy+ na napetraka tany aminy, na mangalatra na manambaka ny namany, 3 na mahita zavatra very ka mandainga momba izany, ary raha mianiana lainga izy rehefa avy nanao ny iray amin’ireo fahotana ireo,+ dia izao no tokony hataony: 4 Raha nanota izy ka meloka, dia haveriny ilay zavatra nangalariny, na nalainy an-keriny, na nalainy tamin’ny fanambakana, na nampiandraiketina azy, na ilay zavatra very ka hitany, 5 na izay zavatra nianianany lainga. Honerany manontolo izany,+ sady mbola hampiany ampahadimin’ny vidiny. Homeny an’ilay tompony izany amin’ny andro ahitana fa meloka izy. 6 Ary hitondra ondrilahy tsy misy kilema any amin’ny mpisorona izy, ho fanatitra noho ny heloka ho an’i Jehovah. Tokony ho araka ny vidiny hanombanana azy izany, ho fanatitra noho ny heloka.+ 7 Handrakotra ny fahotan’ilay olona eo anatrehan’i Jehovah ny mpisorona, dia ho voavela ny helony, na inona na inona mety ho nataony ka nahatonga azy ho meloka.”+
8 Niteny tamin’i Mosesy koa i Jehovah hoe: 9 “Izao didy izao no holazainao amin’i Arona sy ny zanany lahy: ‘Izao no lalàna momba ny fanatitra dorana:+ Hajanona eo amin’ny fitoeran’afo eo ambony alitara ilay fanatitra, mandritra ny alina mandra-paharainan’ny andro. Ary tokony hatao foana izay hampirehitra ny afo eo ambony alitara. 10 Ary ny mpisorona hanao akanjo fisoronana vita amin’ny lamba rongony,+ sy kilaoty lava* vita amin’ny lamba rongony+ hanaronana ny fitanjahany.* Dia hesoriny ny lavenona*+ avy amin’ny fanatitra dorana, izay nolevonin’ny afo teo ambony alitara, ka hataony eo akaikin’ny alitara. 11 Ary hesoriny ny akanjony+ ka hosoloany hafa. Dia hoentiny eny amin’ny toerana madio, any ivelan’ny toby, ny lavenona.+ 12 Tokony hatao foana izay hampirehitra ny afo eo ambony alitara, fa tsy tokony havela ho faty izany. Hanampy kitay eo isa-maraina ny mpisorona,+ sady handahatra ny fanatitra dorana eo amboniny. Ary hodorany eo ambonin’ilay afo ny tavin’ny sorona iombonana mba hidona-tsetroka.+ 13 Tokony hatao foana izay hampirehitra ny afo eo ambony alitara, fa tsy tokony havela ho faty izany.
14 “‘Izao no lalàna momba ny fanatitra varimbazaha:+ Ianareo zanakalahin’i Arona no hanolotra an’ilay fanatitra eo anatrehan’i Jehovah eo anoloan’ny alitara. 15 Ny iray amin’izy ireo dia haka lafarinina tsara toto eran’ny tanan’ila avy amin’ny fanatitra varimbazaha, ary haka amin’ilay menaka sy ny ditin-kazo manitra rehetra eo ambonin’ilay fanatitra. Ary hodorany hidona-tsetroka eo ambony alitara ireo, ka hamoaka hanitra mahafinaritra* mba ho santionany* amin’ilay fanatitra ho an’i Jehovah.+ 16 Ary hohanin’i Arona sy ny zanany lahy ny ambin’ilay fanatitra.+ Hanamboarany mofo tsy misy lalivay izany, ary hohaniny ao amin’izay toerana masina. Eo an-tokotanin’ny tranolay fihaonana no hihinanany azy.+ 17 Hatao ao anaty lafaoro izany sady tsy tokony hasiana lalivay.+ Omeko azy ireo izany ho anjarany avy amin’ny fanatitra atao anaty afo aterina ho ahy.+ Zavatra masina indrindra izany,+ toy ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra noho ny heloka. 18 Ny lehilahy rehetra taranak’i Arona no hihinana an’izany.+ Ho anjarany mandrakizay, hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby izany, avy amin’ny fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah.+ Ho masina ny zava-drehetra mifampikasika amin’ireny.’”*
19 Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: 20 “Izao no fanatitra hatolotr’i Arona sy ny zanany lahy ho an’i Jehovah amin’ny andro anosorana an’i Arona ho mpisorona:+ Lafarinina tsara toto ampahafolon’ny efaha,*+ ho fanatitra varimbazaha+ atolotra tsy tapaka, ka ny antsasany amin’ny maraina ary ny antsasany amin’ny hariva. 21 Handrahoina ao anaty lasitra ilay izy rehefa avy nasiana menaka,+ ary afangaroy tsara amin’ny menaka aloha vao hoentinao. Dia tapatapaho ilay mofo, izany hoe ilay fanatitra varimbazaha efa masaka, ka atolory mba ho hanitra mahafinaritra* an’i Jehovah. 22 Izay mpisorona zanakalahin’i Arona ka voahosotra handimby azy+ no hanao an’izany. Ary izao foana no fitsipika tokony harahinareo: Hodorana manontolo ilay fanatitra mba hidona-tsetroka ho an’i Jehovah. 23 Tokony hodorana manontolo ny fanatitra varimbazaha rehetra ho an’ny mpisorona, fa tsy tokony hohanina.”
24 Niteny tamin’i Mosesy koa i Jehovah hoe: 25 “Lazao amin’i Arona sy ny zanany lahy hoe: ‘Izao no lalàna momba ny fanatitra noho ny ota:+ Eo amin’ny toerana famonoana+ ny fanatitra dorana no hovonoina eo anatrehan’i Jehovah ny fanatitra noho ny ota. Zavatra masina indrindra izany. 26 Ilay mpisorona manolotra an’ilay fanatitra noho ny ota no hihinana an’ilay izy+ ao amin’izay toerana masina, eo an-tokotanin’ny tranolay fihaonana.+
27 “‘Ho masina ny zava-drehetra mifampikasika amin’ny hena atao fanatitra. Ary raha misy akanjo ipitihan’ny ran’ilay fanatitra, dia hosasanao ao amin’izay toerana masina* ilay akanjo. 28 Hopotipotehina ny vilany tany nandrahoana an’ilay hena. Raha vilany varahina kosa no nandrahoana azy, dia hokikisana ilay izy ary hosasana amin’ny rano.
29 “‘Ny lehilahy mpisorona rehetra no hihinana an’ilay fanatitra.+ Zavatra masina indrindra izany.+ 30 Tsy tokony hohanina anefa ny fanatitra noho ny ota, raha nakana ra hoentina ao amin’ny tranolay fihaonana mba handrakofam-pahotana ao amin’ny toerana masina.+ Hodorana kosa ilay fanatitra.