Deoteronomia
10 “Niteny tamiko i Jehovah tamin’izay hoe: ‘Manamboara takela-bato roa mitovy amin’ireo voalohany+ ka miakara atỳ amiko, atỳ an-tendrombohitra. Manaova koa vata hazo anankiray. 2 Dia hosoratako eo amin’ireo takela-bato ireo ny teny nosoratana teo amin’ireo takela-bato voalohany efa nopotipotehinao. Ary ataovy ao anatin’ilay vata ireo.’ 3 Koa nanao vata tamin’ny hazo akasia aho, ary nanamboatra takela-bato roa nitovy tamin’ilay voalohany. Dia niakatra an’ilay tendrombohitra aho, ary nentiko teny an-tanako ny takela-bato roa.+ 4 Nosoratany teo amin’ireo takela-bato ireo ny teny nosoratany tamin’ny voalohany,+ dia ny Didy Folo*+ nolazain’i Jehovah taminareo avy tao anaty afo+ teny amin’ilay tendrombohitra, tamin’ny andro nivorian’ny vahoaka.*+ Dia nomen’i Jehovah ahy ireo takela-bato ireo. 5 Dia lasa aho avy eo nidina an’ilay tendrombohitra.+ Napetrako tao anatin’ilay vata nataoko ireo takela-bato ireo, ary mbola ao foana ireo, araka ny didy nomen’i Jehovah ahy.
6 “Niala tany Berota Bene-jakana ny Israelita avy eo ka nankany Mosera. Tao no nahafatesan’i Arona sy nandevenana azy.+ I Eleazara zanany indray no lasa nanao ny asan’ny mpisorona nandimby azy.+ 7 Dia niala tao ny Israelita ka nankany Godgoda, ary avy tao indray dia nankany Jotbata,+ tany be renirano* mikoriana.
8 “Tamin’izay fotoana izay, dia natokan’i Jehovah ny fokon’i Levy+ mba hilanja ny Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah,+ sy hanompo eo anatrehan’i Jehovah, ary hitso-drano amin’ny anarany,+ hoatr’izao ataon’izy ireo androany izao. 9 Izany no mahatonga an’i Levy tsy homena anjara na lova miaraka amin’ny rahalahiny. Fa i Jehovah no lovany, araka ny efa nolazain’i Jehovah Andriamanitrao taminy.+ 10 Fa izaho indray nijanona teny amin’ilay tendrombohitra 40 andro sy 40 alina,+ hoatran’ilay tamin’ny voalohany. Nihaino ahy koa i Jehovah tamin’izay,+ dia lasa tsy te handringana anao i Jehovah. 11 Dia hoy i Jehovah tamiko: ‘Mandehana eo alohan’ny vahoaka dia miomàna ianareo hiainga. Amin’izay izy ireo dia hiditra ao amin’ilay tany efa nianianako tamin’ny razambeny hoe homena azy, ka haka an’ilay izy.’+
12 “Fa inona moa no angatahin’i Jehovah Andriamanitrao aminao, ry Israely ô?+ Izao ihany: Matahotra an’i Jehovah Andriamanitrao,+ manaraka ny lalana rehetra atorony,+ tia azy, manompo an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo,+ 13 ary mankatò ny didin’i Jehovah sy ny lalàny andidiako anao anio, mba hahasoa anao.+ 14 An’i Jehovah Andriamanitrao ny lanitra, dia ny lanitry ny lanitra,* sy ny tany ary ny zavatra rehetra eto ambonin’ny tany.+ 15 Ny razambenao ihany anefa no nifandraisan’i Jehovah akaiky sy notiaviny. Ary tamin’ny firenena rehetra dia ny taranany,+ izany hoe ianareo, no nofidiny, hoatr’izao androany izao. 16 Koa diovy* ny fonareo,+ ary aza mafy loha be hoatr’izao intsony.*+ 17 Fa Andriamanitry ny andriamanitra+ sy Tompon’ny tompo i Jehovah Andriamanitrareo. Andriamanitra tena miavaka sy mahery ary mendrika hatahorana izy, sady tsy mba miangatra amin’iza na iza+ na mandray kolikoly. 18 Manome rariny ho an’ny kamboty ray sy ny mpitondratena izy,+ sady tia vahiny+ ka manome azy sakafo sy akanjo. 19 Tiavo koa ny vahiny, satria efa mba vahiny tany Ejipta ihany ianao.+
20 “I Jehovah Andriamanitrao no tokony hatahoranao, izy no tokony hotompoinao,+ izy no tokony hifikiranao, ary amin’ny anarany ianao no tokony hianiana. 21 Izy no tokony hoderainao.+ Izy no Andriamanitrao, ilay nanao an’ireny zavatra miavaka sy mahagaga rehetra ireny ho anao, dia ireny efa hitan’ny masonao ireny.+ 22 Fa 70 fotsiny ny razambenareo rehefa nidina nankany Ejipta,+ nefa izao ianareo efa nataon’i Jehovah Andriamanitrareo lasa be dia be hoatran’ny kintana eny amin’ny lanitra.+