Joba
12 Dia namaly i Joba hoe:
2 “Ianareo tokoa izany no tena manam-pahaizana,
Ka hiara-maty aminareo ny fahendrena!
3 Fa izaho koa ange mba mahira-tsaina* e!
Tsy ambany noho ianareo aho.
Iza no tsy mahalala an’izany zavatra izany?
Atao ho fihomehezana ny olona marina sy tsy misy tsiny.
5 Ihomehezan’ny olona miadana ny loza,
Satria mihevitra izy fa ireo mangozohozo* ihany no tratran’izany.
6 Miadana ao amin’ny tranolainy ny mpandroba,+
Ary tsy manana ahiahy ireo mampahatezitra an’Andriamanitra,+
Dia ireo mitondra ny andriamaniny eny an-tanany.
7 Mba anontanio anefa ny biby, dia hampianatra anao izy,
Ary ny voro-manidina, dia hilaza aminao izy.
8 Na diniho ny* tany, dia hampianatra anao izy.
Ary hilaza an’izany aminao ny trondro any an-dranomasina.
9 Iza amin’izy rehetra ireny moa no tsy mahalala
Fa ny tanan’i Jehovah no nanao an’izany?
12 Tsy eo amin’ny zokiolona ve no ahitana fahendrena,+
Ary tsy izay efa ela niainana ve no mahira-tsaina?
16 Ao aminy no misy ny tanjaka sy ny tena fahendrena;+
Azy ny olona diso lalana sy ny olona mitarika ny hafa any amin’ny lalan-diso;
17 Ataony mandeha tsy manao kapa* ny mpanolo-tsaina,
Ary ataony lasa adala ny mpitsara.+
19 Ataony mandeha tsy manao kapa ny mpisorona,+
Ary aongany ireo manam-pahefana tsara toerana.+
20 Ataony tsy mahita holazaina ny mpanolo-tsaina atokisana,
Ary esoriny ny fahendren’ny zokiolona.*
21 Ataony tototry ny fahafaham-baraka ny olona ambony,+
Ary ataony malemy* ny mahery.
22 Aharihariny avy ao amin’ny haizina ny zava-dalina,+
Ary avoakany ho eo amin’ny mazava ny haizim-pito.
23 Ataony mihamahery ireo firenena mba handringanana azy;
Halehibeaziny ireo firenena mba hitondrany azy any an-tsesitany.