Nomery
8 Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: 2 “Teneno i Arona hoe: ‘Rehefa mandrehitra an’ireo jiro fito ianao, dia ataovy manazava ny faritra eo anoloan’ny fitoeran-jiro ilay izy.’”+ 3 Izao àry no nataon’i Arona: Nampirehetiny ny jiro mba hanazava an’ilay faritra eo anoloan’ny fitoeran-jiro,+ araka ny didy nomen’i Jehovah an’i Mosesy. 4 Ary hoatr’izao no nanamboarana an’ilay fitoeran-jiro: Volamena notefena tamin’ny marotoa izy io. Notefena tamin’ny marotoa ilay izy, hatramin’ny sampany ka hatramin’ny felany.+ Araka ny fahitana+ nasehon’i Jehovah an’i Mosesy no nanamboarana an’ilay izy.
5 Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: 6 “Saraho amin’ny Israelita ny Levita ka diovy.+ 7 Hoatr’izao no hataonao mba hanadiovana azy: Fafazo rano manadio amin’ny ota izy ireo. Dia hokakasany ny tenany manontolo, ka hosasany ny akanjony ary hodioviny ny tenany.+ 8 Haka vantotr’ombilahy+ izy ireo avy eo, dia hampiarahiny amin’ny fanatitra varimbazaha,+ izany hoe lafarinina tsara toto nafangaro menaka. Haka vantotr’ombilahy hafa iray koa ianao, ho fanatitra noho ny ota.+ 9 Dia ento eo anoloan’ny tranolay fihaonana ny Levita, ary vorio ny vahoakan’Israely manontolo.+ 10 Rehefa entinao eo anatrehan’i Jehovah ny Levita,+ dia hametra-tanana amin’izy ireo ny Israelita. 11 Dia hatolotr’i* Arona eo anatrehan’i Jehovah ny Levita, ho fanatitra ahetsiketsika+ avy amin’ny Israelita. Ary hanao ny fanompoana an’i Jehovah+ izy ireo.
12 “Avy eo dia hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ireo ombilahy ireo+ ny Levita. Dia atolory ho fanatitra noho ny ota ny iray, fa ny iray kosa ho fanatitra dorana ho an’i Jehovah, mba handrakofana ny fahotan’ny+ Levita. 13 Asaivo mijoro eo anatrehan’i Arona sy ny zanany lahy ny Levita, ka atolory* ho fanatitra ahetsiketsika ho an’i Jehovah. 14 Ary saraho amin’ny Israelita ny Levita, dia ho ahy izy ireo.+ 15 Hiditra hanompo ao amin’ny tranolay fihaonana ny Levita, aorian’izay. Hoatr’izany no hataonao rehefa manadio azy ireo sy manolotra* azy ho fanatitra ahetsiketsika. 16 Fanomezana mantsy izy ireo, dia fanomezana nomen’ny Israelita ahy. Halaiko ho ahy izy ireo, ho solon’ny lahimatoa rehetra eo amin’ny Israelita.+ 17 Fa ahy izay lahy teraka voalohany rehetra eo amin’ny Israelita, na olona na biby.+ Nohamasiniko ho ahy izy ireo tamin’ilay andro namonoako ny lahimatoa rehetra tany Ejipta.+ 18 Halaiko ho solon’ny lahimatoa rehetra eo amin’ny Israelita ny Levita. 19 Dia homeko an’i Arona sy ny zanany lahy ny Levita, izay nofidiko avy amin’ny Israelita, mba hanao ny fanompoana tokony hataon’ny Israelita ao amin’ny tranolay fihaonana,+ sady handrakotra ny fahotan’ny Israelita. Amin’izay dia tsy hisy loza hanjo ny vahoakan’Israely+ satria hoe nanakaiky ny toerana masina izy ireo.”
20 Izany no nataon’i Mosesy sy Arona ary ny vahoakan’Israely manontolo tamin’ny Levita. Araka ny didy rehetra nomen’i Jehovah an’i Mosesy momba ny Levita no nataon’ny Israelita tamin’izy ireo. 21 Nanadio ny tenany àry ny Levita, dia nanasa ny akanjony.+ Avy eo dia natolotr’i* Arona ho fanatitra ahetsiketsika teo anatrehan’i Jehovah+ izy ireo. Dia nandrakotra ny fahotan’izy ireo i Arona mba hanadiovana azy.+ 22 Taorian’izay dia niditra tao amin’ny tranolay fihaonana ny Levita mba hanao ny fanompoany teo anatrehan’i Arona sy ny zanany lahy. Araka ny didy nomen’i Jehovah an’i Mosesy momba ny Levita no natao tamin’izy ireo.
23 Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: 24 “Izao no toromarika ho an’ny Levita: Izay lehilahy 25 taona no ho miakatra no hiditra ho anisan’ireo manao fanompoana ao amin’ny tranolay fihaonana. 25 Hitsahatra tsy ho anisan’ireo manao fanompoana ireo anefa izy rehefa feno 50 taona, ka tsy hanompo intsony. 26 Fa mahazo manampy an’ireo rahalahiny manao ny andraikiny ao amin’ny tranolay fihaonana izy, saingy tsy hoe fanompoana tokony hataony izany. Izany no hataonao momba ny Levita sy ny andraikiny.”+