Genesisy
47 Dia lasa i Josefa ka nilaza tamin’i Farao hoe:+ “Tonga avy any Kanana ny raiko sy ny rahalahiko, miaraka amin’ny ondriny sy ny ombiny ary ny fananany rehetra. Ao Gosena ry zareo izao.”+ 2 Ary nentiny tany amin’i Farao ny rahalahiny dimy, ka nampahafantariny azy.+
3 Ary hoy i Farao tamin’ny rahalahin’i Josefa: “Inona no asanareo?” Dia hoy izy ireo tamin’i Farao: “Mpiandry ondry izahay mpanomponao, na izahay na ny razambenay.”+ 4 Hoy koa izy ireo: “Tonga hivahiny eto izahay.+ Tsy misy ahitra hohanin’ny andian’ondrin’ny mpanomponao mantsy any Kanana, fa mafy be ny mosary any.+ Dia mba avelao hipetraka ao Gosena re ny mpanomponao e!”+ 5 Dia hoy i Farao tamin’i Josefa: “Efa tonga atỳ aminao izao ny rainao sy ny rahalahinao, 6 dia afaka mifidy an’izay faritra tianao eto Ejipta ianao. Omeo ho an’ny rainao sy ny rahalahinao izay faritra tsara indrindra eto Ejipta.+ Aleo ry zareo hipetraka ao Gosena. Raha misy lehilahy fantatrao hoe mahay koa amin-dry zareo, dia tendreo hikarakara ny biby fiompiko.”
7 Dia nentin’i Josefa nankao amin’i Farao i Jakoba rainy ka nampahafantariny azy. Ary nitso-drano an’i Farao i Jakoba. 8 Dia hoy i Farao tamin’i Jakoba: “Firy taona ianao?” 9 Dia hoy i Jakoba tamin’i Farao: “Efa 130 taona aho izao, ary nifindrafindra monina* teny foana aho. Nangidy ny fiainako, sady fohy+ raha oharina amin’ny andron’ny razambeko tamin’izy ireo nifindrafindra monina.”*+ 10 Nitso-drano an’i Farao i Jakoba avy eo, dia lasa.
11 Nasain’i Josefa nipetraka tao Ejipta àry ny rainy sy ny rahalahiny. Dia nomeny tany tao amin’ny faritra tsara indrindra, tao Ramesesa,+ izy ireo, araka ny baikon’i Farao. 12 Nandefasany sakafo* tsy tapaka koa ny rainy sy ny rahalahiny ary ny ankohonan-drainy manontolo, ka nataony araka ny isan’ny zanak’izy ireo izany.
13 Ary tsy nisy sakafo* nanerana an’ilay tany, satria mafy be mihitsy ilay mosary. Lasa reraka be ny olona tao Ejipta sy Kanana noho ilay mosary.+ 14 Dia nangonin’i Josefa daholo ny vola rehetra tao Ejipta sy tany Kanana, izany hoe ny vola nividianan’ny olona varimbazaha,+ ka nateriny tany an-tranon’i Farao. 15 Farany, dia lany ny vola tao Ejipta sy tany Kanana, ka nankany amin’i Josefa ny Ejipsianina rehetra. Hoy izy ireo: “Omeo sakafo izahay! Izahay ve izany dia hojerenao fotsiny satria hoe efa lany ny volanay, nefa izahay aza efa ho faty?” 16 Dia hoy i Josefa: “Ento atỳ àry ny biby fiompinareo, raha efa lany ny volanareo. Dia homeko sakafo ianareo ho takalon’ny biby fiompinareo.” 17 Koa nentin’izy ireo tany amin’i Josefa ny biby fiompiny. Ary nomen’i Josefa sakafo izy ireo ho takalon’ny soavaliny sy ny ondriny sy ny ombiny ary ny ampondrany. Nomeny sakafo foana izy ireo nandritra an’iny taona iny, ho takalon’ny biby fiompiny rehetra.
18 Rehefa tapitra iny taona iny, dia nankany amin’i Josefa indray izy ireo ny taona nanaraka. Hoy izy ireo: “Tsy hafeninay aminao, tompoko, fa efa nomena ny tompoko daholo ny vola sy ny biby fiompy. Tsy misy azonay omena anao intsony izao, tompoko, afa-tsy ny tenanay sy ny taninay. 19 Izahay ve izany dia hojerenao fotsiny nefa izahay aza efa ho faty, ary ny taninay efa ho simba? Vidio izahay sy ny taninay dia atakalozy sakafo, dia hanompo an’i Farao izahay, ary ho lasany ny taninay. Omeo masomboly izahay mba tsy ho faty ary mba tsy ho lasa tsisy mponina ny taninay.” 20 Dia novidin’i Josefa ho an’i Farao daholo ny tanin’ny Ejipsianina. Samy nivarotra ny sahany mantsy izy ireo fa mafy be ilay mosary. Koa lasan’i Farao i Ejipta manontolo.
21 Avy eo dia nafindran’i Josefa nankany an-tanàn-dehibe daholo ny Ejipsianina nipetraka tany ambanivohitra.+ 22 Ny tanin’ny mpisorona ihany no tsy novidiny.+ Nahazo anjara sakafo avy tao an-tranon’i Farao mantsy ny mpisorona, dia ireny sakafo nomen’i Farao ireny no nivelomany. Izany no antony tsy nivarotan’izy ireo ny taniny. 23 Dia hoy i Josefa tamin’ny olona: “Efa novidiko ho an’i Farao ianareo sy ny taninareo androany. Ireo ny masomboly ho anareo, ka afafazo. 24 Rehefa miakatra ny vokatra, dia omeo an’i Farao ny ampahadiminy.+ Ny ambiny* kosa hataonareo masomboly eny an-tsaha, sy ho sakafonareo sy izay ao an-tranonareo ary ny zanakareo.” 25 Dia hoy izy ireo: “Efa namonjy ny ainay ianao.+ Raha sitraky ny tompoko, dia aleo izahay ho mpanompon’i Farao.”+ 26 Dia namoaka didy i Josefa hoe ho lasan’i Farao ny ampahadimin’ny tany. Mbola manan-kery any Ejipta izany didy izany hatramin’izao. Ny tanin’ny mpisorona ihany no tsy mba lasan’i Farao.+
27 Ary nipetraka ela be tao Gosena, tany Ejipta, ny Israely.+ Nanangona fananana tao koa izy ireo, dia niteraka ka lasa be dia be mihitsy.+ 28 Ary mbola velona 17 taona tany Ejipta i Jakoba, ka 147 taona ny andro niainany.+
29 Rehefa akaiky ho faty i Israely,+ dia nantsoiny i Josefa zanany ka noteneniny hoe: “Raha mba mety aminao, dia ataovy ato ambany feko ny tananao. Dia asehoy hoe tena tia ahy ianao sady tsy mivadika amiko, ary hitana ny teninao amiko. Miangavy anao aho mba tsy handevina ahy eto Ejipta.+ 30 Rehefa maty* aho, dia ento hiala eto Ejipta, ary aleveno any amin’ny fasan’ny razambeko.”+ Dia hoy i Josefa: “Ao fa tena hotanterahiko tsara izany teninao izany.” 31 Hoy izy avy eo: “Mianiàna amiko àry.” Dia nianiana taminy i Josefa.+ Ary niankohoka teo an-doham-pandrianany i Israely.+