Josoa
13 Efa antitra sady nandroso taona i Josoa.+ Hoy àry i Jehovah taminy: “Efa antitra sady mandroso taona ianao izao, nefa ampahany lehibe amin’ilay tany no mbola tokony halaina. 2 Ireto ny tany mbola tsy azo:+ Ny faritra rehetran’ny Filistinina sy ny an’ny Gesorita,+ 3 —hatrany amin’ny sampan’i Neily* any amin’ny sisiny atsinanan’i* Ejipta ka hatrany amin’ny sisin’i Ekrona any avaratra, izay noheverina fa an’ny Kananita taloha+—anisan’izany ny faritra nisy ny mpitondra dimy teo amin’ny Filistinina+ izay nifehy ny tanànan’i Gaza sy Asdoda+ sy Askelona+ sy Gata+ ary Ekrona,+ sy ny faritra nisy ny Avita+ 4 any atsimo; ny tany rehetra izay an’ny Kananita; Meara izay an’ny Sidonianina,+ hatrany Afeka ka hatrany amin’ny sisin-tanin’ny Amorita; 5 ny tanin’ny Gebalita+ sy ny ilany atsinanan’i Libàna manontolo, avy eo Bala-gada eo am-pototry ny Tendrombohitra Hermona ka hatrany Lebo-hamata;*+ 6 ny mponina rehetra eny amin’ny faritra be tendrombohitra, hatrany Libàna+ ka hatrany Misrefota-maima;+ ary ny Sidonianina+ rehetra. Horoahiko tsy ho eo anatrehan’ny Israelita izy ireo.+ Izao fotsiny no tokony hataonao: Omeo ho lovan’ny Israely izany, araka ny didy nomeko anao.+ 7 Zarao ho lovan’ny foko sivy sy ny antsasaky ny fokon’i Manase ity tany ity.”+
8 Ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase kosa efa nahazo ny lovany teny ampita atsinanan’ny Reniranon’i Jordana, araka izay efa nomen’i Mosesy mpanompon’i Jehovah azy ireo. Ireto avy izany:+ 9 Manomboka eo Aroera+ eo amin’ny sisin’ny Lohasahan’i* Arnona,+ sy ilay tanàna eo afovoan’io lohasaha io, sy ny lembalemban’i* Medeba manontolo, hatrany Dibona; 10 ny tanàna rehetran’i Sihona mpanjakan’ny Amorita izay nanjaka tao Hesbona, hatrany amin’ny sisin-tanin’ny Amonita;+ 11 Gileada sy ny tanin’ny Gesorita sy ny Makatita,+ sy ny Tendrombohitra Hermona manontolo, sy Basana manontolo+ hatrany Saleka;+ 12 ary ny faritra rehetra nofehezin’i Oga tany Basana. Nanjaka tao Astarota sy Edrehy i Oga. Anisan’ireo Refaima sisa tavela izy.+ Resin’i Mosesy ny mponina tao amin’ireo tany ireo, ka noroahiny.+ 13 Tsy noroahin’ny Israelita+ anefa ny Gesorita sy ny Makatita, fa mbola miara-monina amin’ny Israely hatramin’izao ny mponina ao Gesora sy Makata.
14 Ny fokon’ny Levita ihany no tsy nomeny lova.+ Ny fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah Andriamanitry ny Israely mantsy no lovan’izy ireo,+ araka ny nampanantenainy azy ireo.+
15 Dia nomen’i Mosesy lova ny fokon’ny Robenita, araka ny fianakaviany avy, 16 ka ny faritry ny tanin’izy ireo dia nanomboka tany Aroera eo amin’ny sisin’ny Lohasahan’i* Arnona, sy ilay tanàna eo afovoan’io lohasaha io, sy ny lembalemba manontolo akaikin’i Medeba; 17 Hesbona sy ny tanànany rehetra+ eny amin’ilay lembalemba, Dibona, Bamota-bala, Beti-bala-meona,+ 18 Jahaza,+ Kedemota,+ Mefata,+ 19 Kiriataima, Sibma,+ Zareta-sahara eo amin’ny tendrombohitra eo akaikin’ny lohasaha,* 20 Beti-peora, ny tehezan-kavoanan’i Pisga,+ Beti-jesimota,+ 21 ny tanàna rehetra eny amin’ilay lembalemba, ary ny faritra rehetra nofehezin’i Sihona mpanjakan’ny Amorita, izay nanjaka tao Hesbona.+ Resin’i Mosesy i Sihona+ sy ny mpiadidy teo amin’ny Midianita dia i Evy, Rekema, Zora, Hora, ary Reba,+ izay samy mpanjaka teo ambany fahefan’i Sihona sady nipetraka tao amin’ilay tany. 22 Anisan’ireo novonoin’ny Israelita tamin’ny sabatra i Balama+ mpisikidy,+ zanak’i Beora. 23 Ny Reniranon’i Jordana no sisin-tanin’ny Robenita. Izany faritra izany miaraka amin’ireo tanàna sy ny tanàna keliny no lova nozaraina tamin’ny Robenita araka ny fianakaviany avy.
24 Nomen’i Mosesy lova isam-pianakaviana koa ny fokon’i Gada, dia ny Gadita, 25 ka anisan’ny faritry ny tanin’izy ireo i Jazera+ sy ny tanàna rehetra ao Gileada sy ny antsasaky ny tanin’ny Amonita+ hatrany Aroera, izay tandrifin’i Raba;+ 26 avy eo Hesbona+ ka hatrany Ramata-mizpe sy Betonima, avy eo Mahanaima+ ka hatrany amin’ny sisin’i Debira; 27 ary ny eny amin’ny lohasaha,* dia i Beti-harama, Beti-nimra,+ Sokota,+ Zafona, izany hoe ny sisa tamin’ny faritra nofehezin’i Sihona mpanjakan’i Hesbona.+ Ary i Jordana no sisin-taniny manomboka eo amin’ny sisiny atsimo amin’ny Ranomasin’i Kinereta,*+ dia ny sisiny eo ampita atsinanan’i Jordana. 28 Ireo rehetra ireo miaraka amin’ny tanàna sy ny tanàna keliny no lova nozaraina tamin’ny Gadita, araka ny fianakaviany avy.
29 Nomen’i Mosesy lova koa ny antsasaky ny fokon’i Manase, dia ny antsasaky ny fokon’i Manase+ araka ny fianakaviany avy. 30 Ny faritry ny tanin’izy ireo dia nanomboka teo Mahanaima+ sy Basana manontolo, ny faritra rehetra nofehezin’i Oga mpanjakan’i Basana, ary ny tanàna tranolay rehetra izay an’i Jaira+ any Basana, dia tanàna 60. 31 Ary ny antsasak’i Gileada sy Astarota ary Edrehy,+ izay tanàna nofehezin’i Oga mpanjaka tany Basana, dia azon’ny taranak’i Makira+ zanak’i Manase, izany hoe ny antsasaky ny taranak’i Makira araka ny fianakaviany avy.
32 Ireo no lova nomen’i Mosesy azy ireo, tamin’izy ireo teny amin’ny lemaka karakaina any Moaba teny ampitan’i Jordana, atsinanan’i Jeriko.+
33 Ny fokon’ny Levita kosa tsy nomen’i Mosesy lova.+ I Jehovah Andriamanitry ny Israely no lovan’izy ireo, araka ny nampanantenainy azy ireo.+